ActualitésTsidika

UNICEF : Hamafisina ny fiaraha-miasa sy fanohanana ny tetikasan’ny fitondram-panjakana

Noraisin’i Andry Rajoelina omaly tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasiona izay notarihan’ny Talen’ny UNICEF ho an’ny Faritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika, Mohamed Moustapha Malick Fall, ny filoha Andry Rajoelina.

Ireo fiantraikan’ireo krizy nisesy teto Madagasikara toy ny valanaretina covid-19, ny haintany any Atsimon’ny Nosy sy ireo rivodoza nisesy teo ireny no nifampifidihana nandritra izany. Namafisina nandritra izany ihany koa ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy UNICEF manoloana ireo laharam-pahamehana nofaritan’ny fitondram-panjakana.

Laisser un commentaire