Alasora : Famaranana ny fifaninana mihira ara-pilazantsara
Hotontosaina ny 30 aprily izao ny famaranana ny fifaninana « Feo Kanto Masina » ao Alasora. Miisa 9 ireo mpandray anjara tsara feo hiatrika ny lalao famaranana.
« Hanasana antsika rehetra ny fanotronana ireto tanora ireto. Hisy ihany koa ny fampisehoana ataon’ireo mpanakanto ara-pilazantsara. Tongava ary ny sabotsy 30 aprily izao » hoy ny avy ao amin’ny FMTA Anganomasina Fitiavana Alasora. « Samy manana ny talentany sy ny fomba tiany hanehoana ny talentany ny tsirairay. Zava-dehibe tokoa ny fifaninana tahaka izao ahitana ireo tanora misandratra manan-talenta » hoy i Honoré, Raim-pianakaviana monina ao Alasora.
Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro ny fampisehoana ireo talenta marobe. Tsara foana ny manohana ireo tanora mba handrosoan’izy ireo lalindalina kokoa.
Nicole Rafalimananjara
