Sofia : Vitsy mpahalala ny dihy Alalaosy
Dihy tsimihety ny Alalaosy. Ny faritra Sofia no nihaviany. Lehilahy sy vehivavy no milahatra mifanelanelana no manatanteraka azy ka ny vehivavy no mitarika. Misy olona roa miantsa mitantarany fihetsika ataon’ny mpitarika mandritra ny dihy. Misikina lambaoany na ny lahy na ny vavy amin’io dihy io ary angorodao sy hazolahy no zava-maneno ampiasaina aminy
Maneho ny zava-mitranga amin’ny fiainana anvadanandro kosa io dihy io, toy ny fambelona vary, fanetsana sns…
Diamondra Randriantsiferana
