Oniveriste Antananarivo : Oniversite maty manomboka ny 25 aprily
Mitaky ny famoahan-dalàna mikasika ny fizakan-tenan’ny oniversite, ny toeram-pampianarana ambony ary ny foibem-pikarohana nasionaly eto Madagasikara hoy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo Pr Ravelonirina sammy Grégoire. Mandra-pisian’ny valiny mahafa-po manoloana izany dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanatanteraka « oniversite, toeram-pampianarana ambony ary foibem-pikarohana nasionaly maty, » manomboka ny Alatsinainy 25 Aprily izao.
