France : Ady amin’ny homamiadana.
Anisan’ny miteraka ny aretin’ny homamiadana ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Fanirian’ny filoham-pirenena frantsay ny tsy hanjifan’ny taranaka any aoriana intsony izany “generation sans tabac”. Ady hatao ihany koa eo amin’ny fihoaram-pefy amin’ny alikaola .Tanjona ny hienan’ny olona tratran’ny homamiadana. Raha toa ka 77000 no efa lavon’ny valan’aretina Covid-19 any an-toerana, nahitana fiakarana 20% kosa ny fomba afaka atao hiadina amin’ny homamiadana izay tena mahafaty olona maro.
