Ambatofinandrahana: Hametrahana taninketsa indostrialy mpamokatra mena-boanjo any
14 Aprily, 14h00. Tafapetraka ary vita andrana ara-teknika ny milina hanodina ny Voanjo ho lasa menaka any Ambatofinandrahana. Efa nisy ny andrana natao ary hoo fantatra aorian’izay ny vokatra mety ho azo. Tanjona amin’izany ny firosoana hatrany amin’ny fametrahana ny taninketsa indostrialy mpamokatra mena-boanjo any amin’ity distrika ity.
