Fahasalamana : Antoky ny fahasalamantsika ny tany honenantsika
Notontosaina teny amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalamana ny 7 Aprily teo ho an’ny Faritra Analamanga.
« Antoky ny Fahasalamantsika ny Tany onenantsika » no lohahevitra novoizina nandritra ny fankalazana. « Nisy ny fizaham-pahasalamana isan-karazany sy fanentanana niarahana tamin’ireo mpankanto teto Mahamasina. Zava-dehibe tokao ny fahasalamana ary sarobidy. Mila tandrovana sy karakaraina hatrany » hoy ny avy ao ami’nny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny Fahasalamana. « Olona amin’ny tapitrisa no maty isan-taona noho ny tsy fahasalamana. Mila mitandrina isika ary tsy tokony hilalao aretina. Manana anjara asa lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena rahateo ny fahasalaman’ny vahoaka » hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Arivelo Zely.
Miainkina amin’ny fikajiana ny tany onenana tokoa ny fahasalamana. Ny hetsika fanimbana ny tontolo iainana dia mifandraika amin’ny fahasalamana.
Nicole Rafalimananjara
