Ankadikely Ilafy : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tournoi 26 Jona
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 2 aprily lasa teo ny « Tournoi 26 Jona 2022 ». Ny taranja baolina kitra no andraisan’ireo klioba manerana ny fokontany 18, ato anatin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy anjara.
« Ny sokajy « Vétéran » no nanomboka ny lalao. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny 2 no 1 ny « FC Ankadikely » rehefa nifanadrina tamin’ny « Tanana Mandrosoa » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. « Mahafinaritra mihitsy ny hetsika toy izao. Isan’ny mampihena ny fandraisan’ireo tanora zava-mahadomelina mantsy ny fanatanjahan-tena tahaka izao » hoy i Laurent, raim-pianakaviana monina ao Ankadikely.
Fomba iray azo hitondrana fampandrosoana tokoa ny baolina kitra. Efa manomboka mahazo toerana izany ato amin’ny Distrika Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
