Ny niandohan’ny kilalao.
Azo antsoina ho kilalao avokoa izay zavatra azo ampiasaina rehefa miala voly sy milalao. Azo inoana koa fa vao nisy kelikely isika olombelona, dia efa nisy ny kilalao. Voajaahary ho amintsika olombelona mantsy ny faniriana hiala voly. Nahitana saribakoly na tapaka saribakoly, ohatra, tany amin’ny tany toa an’I Babylona sy Ejipta fahiny. Ny sairbakoly angamba no kilalao nisy voalohany indrindra. Kilalao efa ela be ko any baolina. Tsy fantatra marina aloha hoe oviana izy io nanomboka nisy. Nahitana vato lavalava maromaro miendrika tavoahangy anefa tao amin’ny fasan’ny ankizy ejipsianina iray fahiny. Nampiasaina tamina lalao mitovitovy amin’ny kanetibe izy ireo, ary nisy baolina vato nakorisa tany aminy, mba hampianjera azy. Efa nisy tany Ejipta ny “yo-yo” vita amin’ny vato, telo arivo taona mahery lasa izay. Toa nisy nanana azy ireny koa tany Chine, fahiny. Marionety sy zavatra kely vita tamin’ny ivoara kosa no kilalaon’ny ankizy romanina. Natao hampifanandrifiana sy hatambatambatra ireny ivoara kely ireny. Nilalao sariety kely koa ny ankizilahy grika sy romanina, ka manaporofo izany fa efa be mpitia hatramin’ny el any kilalao misy kodiarana. Misy biby vita amin’ny tanimanga mitaingina zavatra fisaka misy kodiarana, any amin’ny tranombakoka iray. Mety ho kilalao an’ny foko meksikanina iray fahiny izy io. Mahavarina, fa tsy nahitana zavatra misy kodiarana afa-tsy io, tany amin’ny toerana nisy ilay foko. Natao hampianarana avokoa ny kilalao rehetra fa tsy hampiala voly fotsiny. Efa fahiny ela be ary no nisy ny kilalao sasany hitantsika ankehitriny, ary manana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona izy ireny.
Fenohasina Ratsimamitaka
