Serasera sy ny zava-kanto: Niteraka resa-be ilay hiran’i Nashan
Nahazo fanamarihana avy amin’i Ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina ilay hiran’i Nashan. Nanentana ny ankizivavy tamin’ny fomba nivantana ny tokony hanasana ny fivaviana izy. « Manentana sy miangavy antsika rehetra nizara sy naka ilay hira aho mba hamafa izany haingana. Efa hivoaka amin’ny herinandro ny hira vaovao be hafa mihitsy fa aza matahotra ianareo mpankafy” hoy i Nashan. “Maro ny tsy nankasitraka izany hira izany tato amin’ny tambajotra. Mila mijery tsara ny hodidina alohan’ny hamoahana hira toy ny kolontsaina, ny voambolana fampiasa” hoy i Tendry, mpianatra serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Tetsy an-kilany, nilaza ny tanora iray fa “Fanentanana amin’ny fitandroana ny fahadiovana iny hira iny. Tsy hitako loatra izay maharatsy azy satria zava-marina no nolazainy”. Samy manana ny kolontsaina mampiavaka azy tokoa ny faritra tsirairay. Tokony hosafidiana tsara manaraka ny hodidina tokoa ny fanentanana iray ampiasaina tamba-tserasera. Tsy vitsy ny hira tsy mifanaraka amin’ny fanabeazana eto Madagasikara izay raha asiana savanna avy amin’ny tompon’andraikitra ihany alohan’ny hamoahana azy.
