Sabotsy Namehana : Mahazo toerana ny « cours à domicile »
Miroborobo ny fampianarana any an-trano, na ny « cours à domicile », amin’izao ao Sabotsy Namehana. Mbola tafiditra ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana mantsy isika amin’izao.
« Efa ela izahay no nisehatra amin’ny fanaovana cours. Tonga any an-trano mihitsy izahay mampianatra mba hanalana ny fahasahiranana main’ny fivezivezena. Raisinay avokoa na hanala fanadinana na kilasy eny antenantenany » hoy i Tinah, mpampianatra mipetraka ao Sabotsy Namehana. « Voahara-maso tsara ny fampianarana amin’ny cours tahaka izao. Hanampiana ny efa hay tany an-tsekoly mihitsy aza. Efa manahirana ny fivezivezena amin’izao ka manantona ety an-trano mihitsy izy ireo » hoy i Landy, renim-pianakaviana mampiana-janaka.
« Mila ampiakarina ny lentan’ny fampianarana. Ny tanora dia afaka manampy betsaka ny mpampianatra amin’izany. Rehefa nahazo fahaizana dia mba zarao ny fahaizana » hoy i Tantely, mpampianatra. Efa betsaka tokoa ny tanora mirotsaka amin’ny sehatry ny fanabeazana, na an-tsitrapo na handoavam-bola. Ilaina foana ny mikarokaroka mba ahitana fandrosoana, na ho an’ny tena na ho an’ny hafa.
Nicole Rafalimananjara
