ActualitésTsidika

Alasora : Miakatra ny reniranon’Ikopa

Niteraka fahavoazana teo amin’ny mponina Alasora ny fiakaran’ny reniranon’Ikopa indrindra ny eo Ankadiavo. Noraisina an-tanana sy navondrona amin’ny toerana maromaro ireo tra-boina. « Noraisina eto amin’ny trano fandraisana lanonana aloha izahay tra-boina avy eny amin’ny Fokontany Ambohipo Atsimo. Eny amin’ny EPP Ankadiavo sy EPP Mahitsy kosa ireo tra-boina sasany » hoy i Voahangy, isan’ireo tra-boina avy eny Ambohipo Atsimo.

« Mila mailo hatrany isika. Efa manao izay azo atao kosa izahay eto amin’ny Kaominina. Tsara raha mifanampy sy mifanohana hatrany amin’izao ady izao. Didiana ny olona rehetra mipetraka amoron’Ikopa mba hiala tsy misy hatak’andro ary hamonjy toerana avo » hoy ny Ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy.

« Tsara tokoa raha mifanampy hatrany isika. Azon’ireo mipetraka eny amin’ny toerana avo izao ny mampiatrano ireo mponina any amin’ny toerana iva. Tsy misy zava-dehibe mihoatra ny aina mantsy » hoy i Fideline, manam-pahaizana mikasika ny fiaraha-monina. Miakatra tokoa ny ranon’Ikopa amin’izao. Tokony hitandrina mandrankariva ny mponina, na ireo mandeha any anaty rano aza.

Nicole Raalimananjara

Laisser un commentaire