Ambanja : Olona telo voan’ny antsy, tsy maintsy nahiditra hopitaly
Tokantrano iray no voatafika tao Tanambao Ambanja ny 23 janoary lasa teo tamin’ny 12 ora atoandro. Naratra mafy ny olona telo nandritra ny fanafihana.
« Tsy misy tahotra intsony ny ratsy amin’izao. Sahy miasa amin’ny andro atoandro mihitsy. Efa tsy matahotra ny fitondram-panjakana intsony, hany ka manao izay tiany » hoy i Veronique, mponina ao Ambanja. « Jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy lava lela no niditra an-keriny avy any. Nampiasa ny heriny ary nandroba ny tato an-trano » hoy ny tompon-trano. « Efa tafaporitsaka ireo jiolahy no tonga izahay. Adinon’izy ireo hatramin’ny moto noho ny hamehana » hoy ny mpitandro filaminana. Ny zanaky ny tompon-trano sy ny mpiambina ary olona monina ao akaiky no naratra. Nahiditra hopitaly haingana izy ireo noho ny fira antsy nahazo azy.
Nicole Rafalimananjara
