Etats-Unis: Niteraka resa-be tao amin’ny tambajotra sosialy ny sarin’i David Beckham nanoroka ny zanany vavy
Notsarain’ireo mpikirakira tambajotra sosialy nifanakakiky loatra i David Beckham sy ny zanany vavy Harper rehefa namoaka sary nifanoroka teo amin’ny molotra tamin’io zanany vavy 10 taona io izy. Tsy fanao izany hoy ny ankahamaroan’ireo olona ireo.Nilaza kosa i David Beckham fa manoroka ny zanany rehetra izy ankoatra an’i Brooklyn izay efa lehibe. Tsiahivina fa 4 ny zanak’i David Beckham sy Victoria. Nanamafy izy ireo fa toy izany mihitsy no nitaizainy ny zanany. Marihina fa tsy vao voalohany io sarin’i David sy ny zanany vavy nifanoroka io.
