Maroantsetra: Lehilahy iray nitetika ny vadiny tamin’ny antsy be
18 Janoary, 08h00. Vehivavy iray no novonoin’ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana tao Andrahanana, kaominina Ambanizana distrikan’i Maroantsetra ny alin’ny 14 janoary teo. NokapAkapain’io lehilahy io ny antsy be ny vadiny, nofirainy ny lohany ary notriariny tamin’ny antsy ny vatany iray manontolo nandrapaha-fatiny.
Tezitra noho izany ireo vahoaka ka nikasa hamono ny lehilahy. Efa eo am-pelatananan’ny zandary izy saingy mbola mitady hamaly faty ny vahoaka ka mikasa handoro ny tranon’ilay andrimasompokonolona sy ny sefom-pokontany nisambotra azy. Efa miezaka mandamina ny toe-draharaha ao an-toerana kosa ny eo anivon’ny OMC.
