Etats-Unis : Vokatra iray tsy nampoizina hiaro amin’ny covid-19 ny rongony
Mety hisy vokatra vaovao entina hiadiana amin’ny coronavirus atsy ho atsy. Nanambara ireo manam-pahaizana ao amin’ny oniversiten’i Oregon fa misy singa roa antsoina hoe CBG-A na « acide cannabigérolique » sy CBD-A na « acide cannabidiolique » ao amin’ny « chanvre » izay afaka miaro ny sela salama tsy ho andairan’ny covid-19.Efa ny 10 janoary teo no navokan’ireo mpikaroka tao amin’ny Oregon State University (OSU) sy ny Oregon Health and Science University ireo tao amin’ny Journal of Nature Products io fikarohana io. Ravin-kazo samihafa hoy izy ireo no nodinihina tamin’izany raha nisy nifandraisany tamin’ilay « protéine de pointe » na « spike » ao amin’ny coronavirus mba hanamaivanana azy. Ny « chanvre » no hita fa nanakaiky izany.
