Fiainam-pirenena : Nifanakalo hevitra ny filoha sy ireo lehiben’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Nisy ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena sy ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara teny Iavoloha. Nanamafy ny fahavononana ny hiara-hiasa ho an’ny fanasoavana ny vahoaka Malagasy izy ireo.
« Nitondra ny hafatra avy amin’ny Papa izahay ho an’ny filoha. Anisan’izany ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana sy ny fanomezana as any tanora » hoy ny avy ao amin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. « Zava-dehibe tokoa ny fifanakalozan-kevitra mivantana tahaka izao. Eto aho dia mangataka ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara hitrotro am-bavaka ny firenena » hoy ny Filoham-pirenena Malagasy.
« Mifameno amin’ny fampandrosoana isika. Ny mpitondra mila mihaino ny vahoaka. Ny vahoaka ihany koa Mankato sy mihaino sy mpitondra. Miara-miasa amin’ny fampandrosoana ny firenena mandritra izany » hoy i Kenny, mpianatra momba ny politika eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Manafatra ny filoha ho any Vatican ny Papa taorian’ireny famangiany teto Madagasikara ny taona 2019 ireny.
Nicole Rafalimananjara
