Fanatanjahan-tena : Tompondaka amin’ny sokajy vehivavy ny AC Sabotsy Namehana
Nibata ny tompondakan sokajy vehivavy ny AC Sabotsy Namehana ny taona 2021. Tamin’ny taona 2016 no nahazahoan’ity ekipa ity ny amboran’i Madagasikara farany, dia izao indray.
« 5 taona aty aoriana, nody ventiny ny rano nantsakaina. Voninahitra lehibe ho an’ny Kaominina Sabotsy Namehana izany » hoy i Avotra, mponina ao Sabotsy Namehana. « Mankasitraka ny mpanazatra sy ny mpilalao. Mafy ny ady fa niady hatramin’ny farany ianareo. Nandresy tsy ho an’ny tenanareo ianareo fa nandresy ho an’ny klioba sy ny kaominina nentinareo anarana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
« Mahafinaritra ary mahavelom-bolo ny tahaka izao. Mamporisika ny tanora ny tenako amin’ny fitrandrahana ny talenta. Fantaro ny tenantsika » hoy i Julio, tanora mpianatra mikasika ny fanatanjahan-tena eny amin’ny ENS.
Marihina fa tanora ny ankamaroan’ny mpilalao ao amin’ny AC SabNam. Miainga amin’ny tanora tokoa ny fampandrosoana ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
