Etats-Unis : Vehivavy iray velona taorian’ny fianjerana fiaramanidina noho ny fihin’ny rainy
Fiaramanidina iray no nianjera tao amin’ny seram-piaramadin’i Welke de Beaver Island ao Michigan ny 13 novambra teo. Olona 5 no tao anatin’io fiaramanidina io ary efatra no maty tamin’izany. Tovovavy kely iray 11 taona antsoina hoe Laney Perdue sisa no velona tamin’io loza io.Ny rainy no anisan’ny tsy nahafaty azy ramin’io loza io raha ny fanazavana. Tadidiny hoy izy fa namihina mafy azy ny rainy mba ho fiaroavana azy nandritra ny fianjeran’ny fiaramanidina. Naratra mafy izy noho ny loza io saingy velona soa aman-tsary hoy ny reniny Christi Perdue. Mbola velona kosa io raim-pianakaviana namonjy ny zanany io tamin’ny tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina raha ny fanazavana saingy tsy tody tany amin’ny hopitaly dia tapitra ny ainy.
