ActualitésTsidika

BTC Ambohimangakely : Manampy betsaka ny tanora hitrandraka ny talentany

Miainga amin’ny talenta sy ny fahaiza-manao ny asa rehetra ka mila trandrahana izany satria efa manana ny talenta ao anatiny avokoa ny rehetra fa ao ireo tsy mahay mamoaka izany. Manampy indrindra ny tanora hamoaka ny talentany ny BTC Ambohimangakely amin’ny alalan’ireo hetsika mlaro sy fampianarana maro karakarainy.

« Tena manampy ny BTC satria saika ho hetsika maimaim-poana avokoa ny atolony mba ho entiny hamapndrosoana indrindra ny tanora ao Avaradrano » hoy i Romain, tanora ao Ambohimanagakely, mianatra haiady ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Maro ny hetsika ato amin’ny BTC fa ianareo tanora sisa no andrasana hijery izay mahasoa antsika, eo izao ny fiofanana ho an’ireo izay te handraharaha mandritra ny herinandro, hatramin’ny 14 novambra izao ka maimaim-poana avokoa ny hetsika » hoy i Diamondra, mpitantana ny BTC Ambohimangakely.

« Raha hetsika entina hampandrosoana ny kaominina tahaka izao dia vonona hatrany izahay, tsy tombontsoan’olon-tokana mantsy izy ity fa ho an’ny besinimaro mihitsy ka anjarantsika vahoaka eto ifotony ny sisa » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanànan’Ambohimangakely.

Dieny tanora isika dia mila trandrahana ny talenta, fantarina aloha ny tena, fantaraina ihany koa ny manodidina ka miezaka manatasara izany amin’ny alalan’ny fiofanana maro isan-karazany na ihany koa miofana aloha dia ho fantatra amin’izay ny manavanana. Hitarika ny tanora hahay hitrandraka ny talentany rahateo no antom-pisian’ny BTC ao Ambohimangakely.  

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire