Fred Wilson : Ilàna finoana sy fahatokisana ny zava-drehetra raha te ho tafita
Marina fa finiavana sy herim-po no tena ilaina raha te hahomby sy ho lasa lavitra eo amin’ny fiainana. Ny fahatokisan-tena anefa no zavatra lehibe indrindra tokony hanananao mialohan’ireo. Amin’ny alalan’io fahatokisan-tena io mantsy no hianteheran’ny ezaka rehetra ho atao. Vokatr’izany, faly ary mirehereha ianao fa nahomby satria nahatoky tena sy nanana finiavana. Hasambarana lehibe no fehin’izany.Maro ny dingana lalovana sy ny ezaka tokony atao raha te hahomby ianao ka hisehatra eo amin’ny fandraharahana. Saingy miankina amin’ny fahatokisana avokoa ireo reheytra ireo vao afaka ny handroso sy ho lasa lavitra. Tsy misy dikany ny ezaka sy ny finiavana hanananao raha tsy misy fahatokisana aloha. Raha tsy mahatoky tena mantsy ianao fa mandeha any fa ho any fotsiny dia mety tsy ho tojo amin’ilay tanjona tiana ho tratrarina. Raha efa ao anantin’ny sehatry ny fandraharahana kosa ianao, aza sarahina aminao mihitsy izany fahatokisan-tena izany sattri tsy misy hafa tsy ianao sy ny tenanao no mpiray vondrona. Esory lavitra lavitra anao ny toe-tsaina be ahiahy sy feno fisalasalana. Izay manana fahatokisana milamina tsara mantsy no mpitarika tsara indrindra. Tsy mora handairan’ny fandrebirebena izy ireo manoloana izany. »Tsy hitondra anao mankaiza mihitsy ny ezaka maro izay ataonao raha tsy arahina finoana sy fahatokisana e ! » hoy i Ranto, mpandraharaha. « Rehefa miasa mafy sy manana fikirizana ianao tafita foana fa tsy misy an’izany. Ny asa ihany no mitondra an’io » hoy kosa i Samuel, tanora te handraharaha.Manambara kosa anefa i Fred Wilson, mpiara-manorina ny Union Square Ventures, fa « ny olona maneho fahatokiana mangina dia ho mpitarika tsara indrindra ». Raha azavaina ny tiany ambara dia tsy voatery hitabataba amin’ny olon-drehetra ianao hoe manana fahatokiana fa asehoy amin’ny asa izay atao izany. Tsy tokony hireharehana akory izany fa mety handavo anao aoriana raha hankalazainao.Mila olona mahatoky izany sehatry ny fandraharahana izany, tsy mora voarebireby fa manana ny fomba fisainany manokana ka arahina fahatokiana foana izay vina ho kasaina atao rehetra. Saingy, mahatoky amin’ny hevitra heverinao fa marina sy mety hampandroso ny orinasa izay tantananao fa tsy sanatria mahatoky amin’ny hevi-disonao.
Miangaly Rasoamihajamanana
