Nodimandry ilay tovovavy nianjeran’ny solaitrabe tao Antsiranana
Ny marainan’ny Alatsinainy faha 13 ny volana septambra tokony ho tamin’ny 03 ora latsaka tany ho any lasa teo no nitrangan’ny loza tao amin’ny sampana DEGSP ny oniversiten’Antsiranana. Tovovavy 18 taona i Elisah, ary mpianatra taona voalohany ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ary zanaka vavin’ny ben’ny tanànan’i Betanatanana distrikan’ny Maintirano izy.
« Natory tao amin’ny salle d’étude misy ireo mpianatra vao tonga na Novice ireo mpianatra ny androtry ny nitrangan’ny loza, nilatsaka anefa ny solaitrabe vita amin’ny simenitra teo ambonin’izy ireo ka nilatsaka tamin’ireo ankizy telo mianadahy natory izay tsy nanam-po n’inona n’inona, samy voa mafy izy telo fa i Elisah kosa tsy nahatsiaro tena nanomboka teo » hoy ny nanatri-maso.
Tao amin’ny hopitaly iray tao antsiranana no nanidirana azy ireo ka voavonjy soa aman-tsara ny an’izy roa lahy, nisy kosa anefa ny fahasimbàna teo amin’ny fitaovana fanaovana « scanner » ka voatery tsy maintsy noentina niakatra tao amin’ny CHUJRA Antananarivo i Elisah izay tsy maintsy nila scanner maika, tsy tana anefa ny ainY ka izao izy nody mandry izao « tsy hay hoe maninona no any amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fikirakirana ain’olona no asiana tandrevaka goavana toy izany, fitaovana fanaovana scaner ve no simba dia tsy tokony hamboarina ? angaha koa moa tsy misy fiandry izy ireny na reserve ? » joy ny mpiara-mianatra amin’ny Elisah.
« Na ny Hopitaly any andrenivohitra aza indraindray dia mbola misy ihany ny aretina tsy hefany ka mahatonga ny fandefasana ny marary any ivelany, tsy misy tsinin’ny hpitaly eto Antsiranana ny fandefasana azy hiakatra any Antananarivo » hoy ny mpitsabo mpanampy ao an-toerana, EFa andraikitra maro ihany koa hoy izy no noraisinay.
Raha ny tatitra azo dia efa miha-tsara ireo roalahy izay niaraka atamin’ny Elisah, ka miantso ny fitondram-panjakàna mba hidina an-tsehatra hijery izany tsy fahatomombanana ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ka nitera-doza izany.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana niharam-boina.
Lovasoa Tojonirina
