Hiroso amin’ny fanomanana ny fifidiana izay ho filoha ny OJM
Hotanterahina ny 16 oktobra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety. Hisy ny fanomanana izany fifidianana izany izay hiandraiketan’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny am-pahany.
« Efa navoaka ny lisitry ny mpifidy izay ho filoha izay miisa 1509 ireo mpanao gazety hifidy » hoy Rambeloson Jean Aimé, Filohan’ny komity foibe. « Tsy mitsabaka amin’ny fifidiananana sy ny fanomanana samihafa ny Minisitera fa hanampy fotsiny ihany amin’ny lafiny teknika araka ny fangatahana ataon’ny komisiona amin’ny tohana ilain’izy ireo » hoy ny Ministry ny serasera, Rakotondrazafy Lalatiana.
« Manomboka ny 13 septambra izao ny fanaterana ireo antotan-taratasy hilatsaka ho fidiana ho filoha sy ho filoha lefitra ary ny mpanolo-tsiana 23 manerana ny faritra eto Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny OJM. Zava-dehibe ny hirosoana amin’ny fifidiananana ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety satria efa tamin’ny taona 2017 no tsy nanana izay birao izay intsony ny holafitra.
Inona no mety ho fiovana raha eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety aorian’io fifidianana io ?
Nicole Rafalimananjara
