SocialTatitra

Etats-Unis : Iza no olona nahay indrindra maneran-tany?

Maro be ireo mihevitra fa Albert Einstein, Issac Newton ary manam-pahaizana maro hafa malaza maneran-tany no olona nahay indrindra. Lehilahy antsoina hoe William James Sidis nefa no mitondra io laharana voalohany io. Manana « Quotient intellectual » na QI eo anelanelan’ny 250 sy 300 izy, raha toa ka 160 ny an’i Albert Einstein.

Teraka ny taona 1898 tao New York i William. « Psychologue » nahazo diploma efatra tao Hravard ny dadany ary mpitsabo ny mamany. 18 volana monja dia nahay namaky gazety izy, ny New York Times hoy ny loharano. Valo taona kosa izy dia nahafehy fiteny valo, ny latin, grec, français, russe, allemand, hébreu, turc ary arménien.

Efa nentin’ny rainy hisoratra anarana tao Harvard izy teo amin’ny 9 taona saingy mbola nolavin’ny tao an-toerana noho ny taonany. Roa taona taty aoriana nefa izany hoe ny taona 1909 dia tafiditra ihany izy ka izy no olona tanora indrindra niditra tao Harvard. Izy indray no nampianatra ireo mampianatra ny taona 1910 noho ny fahaizany diso tafahoatra. Teo amin’ny faha 16 taonany izy no nahavita ny fianarany.

Nisafidy ny hiaina fiainana lavitry ny laza mihitsy ny tenany, nanapa-kevitra ny tsy hanambady ihany koa izy. Nahiditra am-ponja 18 volana kosa izy ny taona 1919 nandritra ny fihetsiketsehina tao Boston. Sahirana ara-pivelomana ny tenany na teo aza ny fahaizany, asa an-tselika no nentiny namelo-tena. Maty teo amin’ny faha 46 noho ny « hémorragie cérébrale » ity lehilahy manam-pahaizana ity. Marihina fa io aretina io ihany koa no nahafaty ny rainy.

Laisser un commentaire