ActualitésTsidika

Hanondrana vanila tsy ho ela isika eto Madagasikara

Hanomboka amin’ny 15 septambra 2021 hatramin’ny 31 mai 2022 ny fotoam-panondranana lavanila any ivelany ary hifarana amin’ny 10 septambra ho avy izao kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy fahazoana manondrana. Ireo no fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, niaraka tamin’ireo mpikambana mandrafitra ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Lavanila, CNV (Conseil National de la Vanille).

« Tsara kalitao ny lavanila Malagasy. 2376t no nahondrana tamin’ny taona lasa ary hijerena akaiky manokana ny tombontsoan’ny mpisehatra rehetra, manomboka any amin’ny mpamboly ifotony, hatrany amin’ny mpanondrana ka ho hentitra ny ministera hanasazy ireo tsy manaraka ny didy aman-dalàna» hoy ny Ministra, Razafindravahy Edgard. « Taiza no nisy fiariana tsy marim-pototra toy izany, na ny banky, na ny client, na ireo mpiasa sy mpamokatra ao anatin’ny sehatr’asa lavanila izany dia akilahila tsy mitombon-tsaina mihitsy amin’ny asa atao, satria ahoana no hifanarahanao amin’ny client raha mbola tsy azonao antoka fa hahazo alalana ianao, ary raha tsy matoky fa hahazo, ahoana no hividiananao lavanila manta ka hanaovanao fanomanana andrahoana azy ho masaka, nefa miliara ariary no resaka eto » hoy i Patrick, mpano Politika. « Fivelomana ho anay ity, antoky ny fiainanay ka tsy tokony hanaovana an-tsirambina, aoka ho matotra tsara ny fanjakana satria efa niteraka resabe ihany izy ity indrindra ny vidiny » hoy i Bakoly, mpamboly vanilla avy any Andapa.

Irariana mba samy hisitraka amin’ny vidiny ara-dalàna tsy misy fanararotana tokoa ny mpaboly eny ifotony, matetika mantsy mora ny hakana ny eny am-potony kanefa amin’ny Euro rehefa amidy any ivelany. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toe-karenan’i Madagasikara ny varotra lavanila indridra amin’ny maha voly fanondrana azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire