ActualitésTsidika

Anjeva : Nisehoana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana

Renim-pianakaviana iray 56 taona no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany Anjeva gara, kaominina Anjeva, ny herinandro lasa teo. Tsatok’antsy miisa fito no hita tamin’ny vatan’ity renim-pianakaviana ity, teo amin’ny lamosiny, ny tendany sy ny andriny, araka ny voalaza.

« Fotoana fohy taorian’ny loza dia tonga nanao ny fanadihadiana tao an-toerana ny mpitandro filaminana. Olona telo no voasambotra sy noahiahiana nanao izany habibiana izany. Mpiasa tao amin’izy ireo avokoa izy ireo, izay ny iray vao niala ny sabotsy talohan’ny nitrangan’ny loza, ny iray ihany koa dia mpiasa efa niala ary ny iray dia mpiray vodirindrina” hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

“Tsy mandrimandry ny tanàna. Manantena fa hanao sy hanohy ny asany ara-dalàna ny mpitandro filaminana ka hanome sazy henjana ho an’ireo nahavanon-doza tamin’ity raharaha ity” hoy i Lalaina, mponina ao Anjeva.

Ny sabotsy teo moa no nanatanterahana ny fandevenana ity renim-pianakaviana ity. Mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire