ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny fifananinana basket-ball tournoi du maire 2023

Mitohy hatrany ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena, tournoi du maire 2023, eo amin’ny taranja baolina basket, ao amin’ny kaominina Alasora. Ao amin’ny kianja filalaovam-baolina, ao amin’ny EPP Miadana no hanatanterahana izany, ny alahady izao, araka ny voalaza.

« Tahaka ny mahatra dia mandray anjara avokoa ny sokajy lahy sy vavy amin’ny fifaninanana ity. Hanomboka amin’ny 09ora maraina hatrany izany, ary ny sokajy vehivavy no hisantatra ny lalao. Hifaninana amin’izany ny ekipa avy amin’ny Est Mahazoarivo sy Ambodivoanjo. Aorian’izay amin’ny 10ora ny fokontany Ankadindratombo sy Amboaroy” hoy ny avy amin’ny mpikarakara.

“Vita ny lalao eo amin’ny sokajy vehivavy dia hiakatra kianja amin’ny 11ora atoandro ny lehilahy amin’io alahady io hatrany. Hisantatra izany ny ekipan’ny fokontany Mahitsy sy Mendrikolovana. Aorian’izay kosa amin’ny 12ora Amboaroy hiaona amin’ny Alasora. Amin’ny 01 ora ny lalao eo amin’ny Miadana sy Ambohidrazaka. Arahin’ny lalao hifanatrehan’Ampahibato sy Ambatomalaza izany amin’ny roa ora ary mamarana izany andro izany indray Est Mahazoarivo sy Amboaroy” hoy hatrany ny fanazavana.

Manome sehatra hatrany ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny kaominina Alasora. Zava-dehibe tokoa izany, satria manome lanja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary mampivoatra azy ireo eo amin’ny fahaiza-manao..

Manitra R.

Laisser un commentaire