Torohevitra : Maro ny tombontsoa amin’ny fihinana Cacao
Isan’ireo ody manala fanaintainana sy miaro amin’ny bakteria ny cacao. Mampidina ny tosi-drà avo ihany koa izy. Manala menaka tsy ilain’ny vatana ny cacao ary tena tsara hohanina. Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-dra. Tsara ho an’ny atidoha sy ny saina ary indrindra manampy amin’ny fitadidiana izy. Manala ireo rarintsaina sy ny tebiteby ary ny fikorotanan’ny saina. Miaro amin’ny diabeta izy noho izany ary koa manaka tavy noho izy mitroka menaka.
Miaro amin’ny homamiadana no mitsabo izany koa. Maro be ireo tombontsoa azo avy amin’ny cacao fa indrindra tena manampy betsaka amin’ny hery fiarovana izy. Sady manome hery no mampatanjaka. Tena mety be ho an’ny olona mikohoka lava. Be calcium ihany koa ny cacao mbola manatombo lavitra mihoatran’ny ronono aza. Mampilamina ny tahan’ny siramamy izy ary tena tsara ho an’ny tsinay. Tsy mifidy taona na sokajin-taona izy. Ny zaza sy ny ankizy aza no tena tsara mihinana azy.
Nicole Rafalimananjara
