Sénégal : Mihafeno ny hopitaly ao Dakar
Nanambaran’ny tale nasionalin’ny tobim-pahasalamam-bahoaka Ousmane Dia fa mahatratra 99% ny tahan’ny fahafenoan’ny fandrinan’ny hopitaly ao an-drenivohitra noho ny fandraisana ireo mararin’ny Covid-19. Tsy maharaka ary reraka ihany koa ny mpitsabo ny marary etsy andaniny hoy ny tompon’andraikitry ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. »Tsy mora ny mandray marary 600 hatramin’ny 700 isan’andro » hoy hatrany ny tale. Mavesatra ihany koa ny tsindry mahazo ireo mpanao fitiliana raha ny fanazavany noho ny fiakaran’ny fangatahana fanaovana, izay vao maika niakatra noho ireo tranga ahiahiany amin’ireo mpizahatany. Mbola miandry herinandro ihany koa nefa vao azo ny valin’izany raha ny fanazavana.
