SocialTsidika

Mandroso ny asa famokarana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny lava-drano lalina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Benenitra

Efa natomboka ary mandroso ireo asa fandavahana rano entina mamokatra rano fisotro madio amin’ny alalan’ny lavadrano ankehitriny ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Benenitra (Atsimo Andrefana). Izany dia entina mba  hanalana ny fahasahiranan’ny olona amin’ny tsy fahampian-drano ao anatin’ny hamehana eny an-toerana. Tontonsa izao taorian’ny nandalovan’ny delegasiona izay notarihin’ny praiminisitra Christian Ntsay tany an-toerana hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana.

Lava-drano miisa telo no ho tanterahina ao amin’ny Kaominina Benenitra izay mitsinjara ho an’ny ny tanànan’ny Benenitra ary ny Tobim-pahasalamana (CSB2) eny an-toerana ihany koa ary efa voalavaka ankehitriny ny ao amin’i CSB2 sy ny ao Benenitra 3. « Ny Fitaleavam-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana ao Atsimo Andrefana no miaramiasa amin’ny ireo orinasa mahatontosa izao asa fanatsarana eo amin’ny famokarana rano izao », hoy Rakotovelomanantsoa Voahary, Minisitry ny Rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana. « Vahaolana mety aminay mihitsy izao satria tena nijaly rano tokoa izahay aty Benenitra », hoy i Berthine, mponina any an-toerana. Aina tokoa ny rano noho izy mitondra fahasalamana sy mahavelona. Ny rano no tena antoka mahavelona ka tokony ho ampy foana na aiza na aiza, ary ny mba hisitrahana izany indrindra no anton’ny tetik’asa maro. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire