ActualitésTatitra

France : Miverina misokatra ny « Tour Eiffel »

Rehefa nikatona nandritra ny sivy volana dia manokatra indray ny varavarany ho an’ny mpitsidika ny « Tour Eiffel » nanomboka ny zoma teo araka ny nambaran’ny filohan’ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Misokatra miaraka amin’izany ihany koa ireo toerana fialam-boly sy kolotoraly saingy mbola voafetra ny isan’ny mpitsidika.Efa nandrasana mpitsidika sy mpizaha-tany fotoana maharitra ity fisokafana ity indray. Tamin’ny 12 ora sy 45 minitra no nandraisana ny mpitsidika voalohany mahazaka olona 13 000 isan’andro na dia efa nahena 50% aza. Araka ny tompon’andraikitra ao an-toerana dia niteraka fahaverezan’asa olona 350 ny fikatonan’ny Tour Eiffel nandritra izay 260 andro izay. « Tena efa miandry fotsiny ireo mpiasa », raha ny fanazavany.

Laisser un commentaire