ActualitésTatitra

La Réunion : Hametraka ny tantara ao amin’ny tanora « astronaut » voalohany i Olivier Daemen

Nahavita ny fianarana tao amin’ny mpamory an’habakabaka ka nahazo ny mari-pahaizana licence i Olivier izay 18 taona. Hiaraka hivoaka any amin’ny habakabaka amin’i Jeff Bezos ny 20 jolay izao ny tenany ary raha tontosa io dia izy no hanamarika ny zandriny indrindra amin’ireo « astronaute » hoy ny orinasa aérospatiale ny alakamisy 15 jolay lasa teo. Efa nofinofin’ity tovolahy ity mihitsy ny hivoaka an’habakabaka tahaka izao ary manomboka ny septambra izao aza dia hanovo fahalalana bebe kokoa mikaiska izany ao amin’ny Oniveriste Ultrecht any Pays-Bas ny tovolahy. Ny sambondanitra Blue Origin no handehanan’izy ireo hoy i Bob Smith, lehiben’ny orinasa.

Laisser un commentaire