Fanovana vonjimaika ny rindran-damina amin’ny fifamoivoizana eo Behoririka mihazo an’Antanimena
Misy ny fahavakisana ny fantson-dranon’ny JIRAMA eo akaikin’ny Delta Hôtel Antanimena ny marainan’ny Zoma 22 May 2026.
Vokatr’izany dia tapaka ny làlana avy eo amin’ny Auto-pièce RHS Behoririka mihazo ny Chocolaterie Robert Antanimena.
Ho fandrindrana ny fifamoivoizana dia nametraka » déviation » mandalo Landis mivoaka Immeuble Santa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Hentanina ny rehetra hanaja ny toromarika sy ny lamina apetraky ny mpitandro filaminana,mba hisorohana ny fitohanana sy hanamorana ny fivezivezena.
Loharano: CUA
