𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗲𝗹𝘆 𝘀𝘆 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 : 𝗙𝗮𝗻𝗶𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗹𝗶𝗻𝗴𝗲𝗹𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗺𝗼𝗶𝘃𝗼𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮
Nidina ifotony teny Ambohitrakely sy Andrainarivo ireo tompon’andraikitra hanitsy ireo tsena sy toeram-pisakafoana manarona ny lalana an-tongotra, ary koa ireo fiara mijanona tsy ara-dalàna na “épaves” manelingelina ny fifamoivoizana.
Nesorina avy hatrany ireo fitaovan’ny mpivarotra napetraka anaty arabe, indrindra manodidina ny Rond-point Ambohitrakely, noho izy ireo mety hampidi-doza ho an’ny mpampiasa lalana.
Nomena fe-potoana 48 ora ihany koa ireo tompona fiara simba na mijanona amoron-dalana mba hanesorana izany. Raha tsy manaraka ny toromarika dia handray fepetra ny CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampilamina ny fifamoivoizana sy hanomezana toerana malalaka sy azo antoka ho an’ny mpandeha an-tongotra.
CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo.


