KITRA : Nivoaka omaly ny anaran’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barean’i Madagasikara hiatrika an’ireo lalao fitsapana 2 amin’ny faran’ity volana martsa ity.
KITRA : Nivoaka omaly ny anaran’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barean’i Madagasikara hiatrika an’ireo lalao fitsapana 2 amin’ny faran’ity volana martsa ity. Mpilalao 24 no nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, ka 3 monja no mpilalao avy eto antoerana dia i Michel Ramandimbisoa na Toldo, mpiandry tsatokazon’i Elgeco Plus ary i Bono Rabearivelo sy Radoniaina Rabemanantsoa, samy vodilaharana ao amin’ny Disciples FC. Tsy mbola ao anaty lisitra kosa ireo mpilalao mpila ravinahitra any Eropa izay nambaran’i Corentin Martins fa efa eo andalampiresahana ny hanatevenany ny Barea. Manamarika ity lisitra ity koa ny nahavoaantso an’i Behaja Randriamalala, irakiraka ao amin’ny ekipan’i US Monastir any Tonizia. I Behaja vao 18 taona monja kanefa manohy ny famirapiratany eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra.
Hiatrika fampivondronana any Torkia ny Barean’i Madagasikara, izay hifarana amin’ny lalao fitsapana roa : hihaona amin’i Kirghizistan ny 28 martsa ao amin’ny kianjan’i Calista Sports Center Belek sy hifandona amin’i Guinée Équatoriale ny 31 martsa ao amin’ny kianja Emir Complexe.


