Alasora: Nitarina ny lalana ao amin’ny kaominina
Nisy ny asa fanitaran-dalana nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Alasora, tamin’ny herinandro teo. Natao izany hanamaivanana ny fahasahiranana eo amin’ireo mpampiasa lalana, araka ny voalaza.
“Tena ilaina mihitsy ny ezaka tahaka izao hialana amin’ireo loza mitranga isan-karazany vokatry ny fahateren’io lalana io. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny fijerena ny olan’ny mponina, indrindra ireo mpampiasa lalana eo sy ny fandraisana fepetra momba izany” hoy i Onja, mpitatitra.
“Efa ela no niandrasana ny asa toa izao ary tsara raha tohizana izany eny amin’ireo lalana tena tery sy toeram-piantsonana izay tena mampitaraina ny olona tokoa. Ankoatra izany, tokony mametraka ireo famantarana fandraràna tsy azo hijanona ny tomponandraikitra hisorohana ny fanararaotana amin’ny fijanonana ataon’ny hafa” hoy i Aina, mponina ao Alasora.
Ilaina ny fifampitaizana sy ny fanentanana mba hisian’ny filaminana eny amin’ny fiaraha-monina, indrindra ny eny andalam-be. Ny mahakasika ny fampiasana ny lalana, dia mbola mila ezaka tokoa izany satria maro ireo fiara mifamezivezy, tahaka izany ihany koa ny olona ka tokony samy ahatsapa tena ny tsirairay mba hampirindra ny fiaraha-monina.
