Russie : Olona manodidina ny 30 no maty vokatry ny fisotroana « cidre frelaté »
Olona manodidina ny 90 no tratran’ny fanampoizinana tamin’ny alalan’ny fisotroana « cidre frelaté » tao Russie. Raha ny antontan’isa voalohany nomen’ny ministeran’ny fahasalamana tao an-toerana ny talata teo dia 16 no maty vokatr’izany saingy niakatra 30 isa eo nefa izany. Amin’izao fotoana dia olona efatra ihany koa no ahatahorana hamoy ny aina raha ny fanamafisan’ny ministera.
Zava-pisotro mahamamo antsoina hoe « Mister Cidre » io nahafaty olona maro tao an-toerana io. Raha ny fanazavana dia misy « methanol » izany, izany vokatra tena poizina ho an’ny vatana. Manoloana ny tranga kosa dia nanome baiko ny figihazana io vokatra io ao amin’ny tanan’ Samara ao amin’ny Volga ireo manam-pahefana ao an-toerana.
Marihana fa tsy vao voalohany io tranga io. Tamin’ny volana oktobra 2021 dia olona 35 nitsinjara tamin’ny tanàna roa hafa tao an-toerana ihany koa no namoy ny ainy noho ny fisotroana io vokatra io. Lafo vidy ny zava-pisotro mahamamo tsara ao Russie antony hisotroan’ireo tsy manana fahefana izany io « cidre frelaté » io izay mahamamo ihany koa.
