Anjeva : Tafapetraka ireo komity sy rafitra misahana ny fandriampahalemana sy ny fitantanana foto-drafitr’asa vaovao ao amin’ny fokontany Anjeva Gara
Nanatanetraka fivoriambem-pokonolona tao amin’ny fokontany Anjeva gara ireo tomponandraikitra misahana ny kaominina sy ny fokontany, ny faran’ny herinandro teo. Nifantoka kokoa tamin’ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana sy fampisitrahana tetik’asa ho an’ny rano fisotro madion’ny mponina izany, araka ny voalaza.
« Niompanana be be kokoa tamin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fivoarina natao teto an-toerana. Iaraha-mahafantatra tokoa fa manjaka ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ka izany no anisan’ny nametrahana ny rafitra vaovao sy komitim-pokontany handray an-tanana sy handamina izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ankoatra izany, nisy ihany koa ny fametrahana komitim-pitantanana ny foto-drafitr’asa rano fisotro madio, izay vao vita teto an-toerana. Ny teto amin’ny fokontany izay nisitraka izany rano fisotro madio izany. Miisa 12 ireo paopin-drano tafapetraka eto an-toerana ary miampy fanasan-tanana iray ho an’ny mpianatra” hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe ho an’ny fitantanana eny ifotony ny fametrahana rafitra mpanara-maso tahaka izao. Miainga amin’ny fampandraisana andraikitra tokoa no hisian’ny fampandrosoana sy ny filaminana ao amin’ny tanàna. Hirariana araka izany mba hitondra fiovana ho an’ny fokontany tokoa ny fametrahana izany rafitra izany.
Manitra R.
