ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny asa fanamboaran-dalana

Mitohy ny asa fampandrosoana ataon’ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Ao anatin’ny fanamboarana ny lalana RIP 11 ireo tomponandraikitra ao an-toerana amin’izao fotoana izao.

“Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka fampandrosoana ny kaominina sy famaliana ny fangatahanan’ny mponina izao asa fanamboaran-dalana izao. mizotra araka ny niheverana azy tanteraka ny asa fanamboarana ankehitriny” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Hita fa tena tsara tokoa ny asa fanamboarana. Hisaorana ireo tomponandraikitra mikojakoja izany ary hirariana ny hitohizan’ny ezaka hatrany amin’ny fokontany hafa mba ho antoky ny fampivoarana” hoy i Teddy, mponina ao Alasora.

Mbola maro ireo lalana mila amboarina sy soloina rari-vato ao amin’ny kaominina Alasora. Anisan’ny angatahan’ireo mponina eny ifotony ny fanamboarana izany mialohan’ny fahatongavan’ny orana, hisorohana ny fihitaran’ny fahasimbana.

Manitra R.

Laisser un commentaire