Canada : Lehilahy iray no nanoratra anarana ny alikany ho kandidà ben’ny tanàna tao Toronto
Maro ny zavatra hita eto amin’ity tany ity ary tsy lany atao ny zanak’olombelona. Lehilahy iray antsoina hoe Toby Heaps no nanoratra anarana ny alikany ho kandidà ben’ny tanàna tao Toronto. Raha ny fantatra dia alika vavy i Molly, 7 taona ary irony alika mpamonjy voina irony na « chien sauveteur».
Nilaza ny tompon’io alika io fa manana hevitra maro ho arosony amin’ny fampielezan-keviny i Molly, isan’izany ny fanasaziany ireo ben’ny tanàna rehetra tsy manaja ny fampanantenana nataony. Efa mipetrapetraka ihany koa hoy izy ny kabary ho ataon’i Molly mandritra ny fivorian’ny filankevitra monisipaly. Nanamafy i Toby Heaps fa rehefa misy biby ao an-efitra iray dia miseho kokoa ny maha olombelona ny olona.
Raha tsiahivina dia niala ny volana febroary teo ny ben’ny tanànan’i Toronto teo aloha noho ny fijangajangana tamin’ny mpiasa iray. Mahatratra 102 isa ireo kandidà amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ato ny volana jona izao saingy manoloana ny lalàna mifehy ny fifidianana « anthropocentrique » dia tsy afaka milatsaka ho ben’ny tanàna velively i Molly.
