Tontolo iainana : Ireo fihetsika tsotra azo atao raha sendra horohoron-tany mafy
Dépêche 28 avril, 11h, Toe-javatra tsy maintsy misy eo amin’ny tontolo iainana ny horohorontany. Indraindray izy io dia mety mafy mahafaty olona mihitsy, indraindray mety ho mora tsy heno akory ny fisehony. Nisehoana horohorontany teto Antananarivo omaly alakamisy 27 aprily tamin’ny 1ora atoandro. Nalefaka iny raha 4 amin’ny fandrefesana Richter no voalaza fa tanjany. Mety ho mafy anefa izany ka ny tena tsy azo atao dia ny mijanona anaty toerana mihidy raha mbola afaka mivoaka. Raha tsy afaka mivoaka intsony dia tokony hitsofoka ambanin’ny latabatra hahafahana miaro ny aina amin’ny fianjerana. Marihina anefa fa tsy mahavonjy ny aina izany rehefa tena matanjaka ny herin’ireny horohorontany ireny.
