ActualitésTatitra

Skateboard : Fialamboly sy fanatanjahantena

Ankoatra ny maha fitaovam-pitanterana azy dia voasokajy ho fanatanjahantena, fialamboly, zava-kanto ihany koa ny Skateboard na « planche à roulettes ». « Skateurs », « riders » na « planchistes » no iantsoana ireo mpikirakira azy.

Tao Etats-Unis no nipoiran’ny Skateboard tamin’ny taona 1950. Kilalao natao ho an’ny ankizy no namolavolana azy. Niparitaka izy tany amin’ny faran’io taona io ary lasa nampiasan’ireo lehibe ihany koa. Ireo vondrona « surfeur » no tena nampiasa izany voalohany, anisan’ny nalaza tamin’izany i Mickey Muñoz sy Phil Edwards. Nanomboka ny taona 1990 kosa ny Skateboard no tafiditra tao amin’ny tontolon’ny « Street » ary lasa kolontsaina kely ka nampiova hatramin’ny fiakanjon’ny tanora mpikirakira azy.

Laisser un commentaire