ActualitésTsidika

Androhibe :  Hisy ny andrimasom-pokon’olona

Mahazo vahana  ny tsy fandriahampahalemana ao amin’ny kaominina ankehitriny. Misy ny manao ala-botry sy mangalatra izay efa fananan’ny hafa. Amin’izao fiainanan efa mihasarotra izao dia mbola misy ihany no mampijaly ireo vahoaka madinika amin’ny resaka fangalarana ity. Velon-taraina avokoa izy  ireo amin’ny hafitsokin’ny olon-dratsy.

Misy araka izany ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Ben’ny Tanàna Androhibe, amin’ny fanentanana ny olom-pirenena  mba handray anjara amin’ny fiambenana ny tanàna. «  Entanina isika vatandehilahy rehetra isam-pokontany izay efa feno 18 taona miakatra handray anjara amin’ny andrimasom-pokonolona ho fanamafisana ny fiambenana ety an-tanàna. Hisy lamina apetraka miaraka amin’ny  sefo Fokontany sy ny lehiben’ny boriboritany sy ny fokonolona ho atao maika amty herinandro ity », hoy ny Ben’ny Tanàna.

Efa misy ny mpitandro filaminana ao amin’ny kaomina saingy kosa tsy ampy izany. Tokony hiara-hiasa ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana mba hamongorona ireo olon-dratsy ao amin’ny tanàna. Adidy masina ao anatin’ny  kaominina  ny fandraisana andraikitra avy amin’ny olom-pirenena tsirairay ary tokony hifanome tananan hatrany mba handry fahalemana ny tanàna.

Erwan RAN

Laisser un commentaire