Espagne : Namelona ny afo indray ny rivotra nitsoaka mafy tao an’ala ny alatsinainy teo
Nisehoana fahamaizana ala tao atsinanan’i Espagne ny alakamisy teo. Velaran-tany 4 300 hekitara no ravan’izany ary olona 1 800 isa no voatery nitsao-ponenana. Mpamono afo 500 isa kosa no nihezaka namehy ny afo izay niatomboka tao amin’ny tanànan’i Villanueva de Viver, ao amin’ny faritanin’i Castellon raha ny fanazavana.
Mbola tsy voafehy tsara akory ny afo dia novelomina rivotra nifofofo indray ny alatsinainy alina teo ka niteraka ny fahaizana goavana indrindra tao amin’ny firenena tamin’ity taona ity. Mampanano sarotra ny asan’ireo mpamono afo kosa izany ary 14 tamin’izy ireo mihitsy aza no naratra raha ny tatitry ny talem-paritry ny raharaha anatiny ao Valence, Gabriela Bravo.
23 ny fiaramanidina sy angidimby mpanondraka rano kosa no miasa amin’io famonoana afo io raha ny fanamafisany.
