ActualitésTsidika

29 mars 1947: Fampiantiana ny soatoviana tsoahina avy amin’ny tolona no entina hankalazana izany

Anisan’ny nitondra soatovina sy manana ny lanjany manokana ho an’ny Madagasikara sy ny Malagasy rehetra ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Hamerenana sy hampahafantarana izany soatoviana raketin’ity tolona ity izany no antony hanatanterahana ny fankalazana izay ampiharihariana ny ohabolana Malagasy hoe “ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ny akanga maro tsy vakin’amboa ary izay mitambatra dia vato”.

Isan-karazany ireo hetsika entina hankalazana ity fotoana ity toy ilay fandaharana manokana ao amin’ny radiom-pirenena. “Efa nanomboka ny alatsinainy teo ny fankalazana ho an’ny Moramanga manokana izay toerana iray tsy maintsy tanataraina raha vao hiresaka ity tolona ity. Nomena ny anarana hoe “diaben’ny fandresena” izany hetsika voalohany izany.  Ao ihany koa ny fampisehoana ireo kolontsaina izay mampiavaka ny faritra ka mampiseho ny firaisan-kina. Etsy andaniny dia misokatra ho an’ny rehetra ny efitrano fampirantiana ary hisy fampisehoana ara-kolontsaina sy ara-java-kanto manoloana ny Mozea 1947”, hoy ny avy ao amin’ny Delegasionan’ny Kolontsaina sy ny Serasera ao Moramanga.

Mbola mitoetra mandrakla ankehitriny ny tanjon’ireo mpitolona ireo dia ny fanafahana an’ny Madagasikara amin’ny fanjahantany sy ny antso ho amin’ny fitiava-tanindrazana ary indrindra ny fiverenana amin’ny maha-malagasy. Tamin’izany fotoana izany dia ny firaisan-kina sy ny firaisan-tsaina no fitaovam-piadiana, inona moa ny olana raha mbola entina hampandrosoana sy hananan’ny Madagasikara ny fototra hahamafy azy hatrany izany. Marihina fa ny filohan’ny bekotro maro holatra no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika fankalazana ny alatsinainy teo.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire