Fitaterana: Efa manomboka ny fananganana ny « Gare du téléphérique » Anosy.
Dépêche 22 mars, 15h, Miroso ny asa fanamboarana ny « Transport par Câble » na ny TPC izany. Amin’izao fotoana izao dia efa andalam-panamboarana ny « gare du téléphérique » eo Anosy ireo orinasa miandraikitra izany. Efa andalam-pametahana ny fototra izy ireo ankehitriny ary hitohy amin’ny fanamboarana ny fiantsonana eo Soarano izany asa izany. Mbola mitoetra ny tanjona hamitana ny « ligne Ambatobe – Anosy » mialohan’ny lalaon’ny Nosy izay ho atao eto Madagasikara ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao.
