ActualitésTatitra

France : Vehivavy iray no nahavita nandrimbona ny lelan’ny lehilahy saika hanolana azy

Lehilahy iray no saika hanolana vehivavy 57 taona tao Avignon. Ny alahady teo, manodidina ny 4 ora marina, no niseho io tranga io rehefa nandeha nitondra ny alikany nivoaka ilay vehivavy. Avy hatrany dia nametraka ny tanany teo amin’ny fitombenan’ilay vehivavy ary nanery azy hanoroka azy ilay lehilahy.

Tsy nanaiky mora foana nefa ilay vehivavy ary nanohitra. Nokaikeriny ny lelan’ilay nanao herisetra taminy, ary rimbona. Nody tany an-tranony io vehivavy io taorian’ny tranga ary nandeha nanatitra ilay ampahana lela tany amin’ny polisy. Hitan’ny polisy feno ra tany amin’ny toeran-kafa ilay lehilahy nikasa hanolana taorian’izany.

Fantatra fa lehilahy avy ao Tunisie, manididina ny 30 taona, ary mipetraka tsy ara-dalana ao an-toerana, io lehilahy io. Nilaza kosa izy fa ilay vehivavy no nanadala sy nanafika azy.

Laisser un commentaire