ActualitésTsidika

Fifamoivoizana : Misy fahatapahana ny lalana sasany manerana ny Nosy noho ny rivo-doza Freddy

Noho ny herin’ity rivo-doza ity izay azo lazaina ho tena mahery vaika dia tsy mandray ny fepetra rehtra mifandraika amin’izany avokoa ny sampan-draharaha rehetra. Namoaka ny fepetra ho raisina araka izany ny Ministeran’ny fitaterana ahafahana miaro ny olom-pirenena rehetra ka misy ny faritra tsy ho azo hivezivezena mandritra ny fotoana mbola tsy voafetra.

« Mijanona avokoa ny fifamoivoizana amin’ny alina amin’ireo faritra rehetra izay voalaza fa handalovan’ny rivo-doza Freddy. Efa nanomboka omaly ny fiara rehetra miainga avy any atsimo ka hihazo an’Antananarivo ary ireo fitaterana mianatsimo rehetra dia mijanona eo Antsirabe manomboka amin’ny 7ora hariva », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana.

« Marina fa fandraisana fepetra mihitsy ny fotoana toy izao, ny olona rehetra tokony samy tompon’andraikitra satria aina no harovana. Rivo-doza mahery vaika io mandala io ka tokony samy handray andraikitra ny tsirairay ary samy hanaraka ny fepetra izay napetraka. Mpitatitra entana ny orinasanay fa ho fiarovana ireo mpiasa dia mijanona mihitsy aloha », hoy i Marie Ange, tompona orinasa fitaterana entana iray.

Miaraka amin’izany dia nahazo ny fepetra tokony arahiny ihany koa ny mpampiasa ny lalana amin’ny RN2 mba hijanona amin’ny fivezivezena mandritra ny fotoana tsy mbola voafetra. Etsy andaniny anefa dia tokony samy hanaraka ny vaovao rehetra manodidina ity rivo-doza ity avokoa ny olona tsirairay ka hanaraka tsy tapaka ny fivoarany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire