Fandriam-pahalemana : Nisehoana asan-jiolahy mitam-piadiana maro teto Antananarivo.
Dépêche 30 décembre, 13h30, MItam-piadiana na ny marimarina kokoa dia mitana basy ireo jiolahy izay tsy matahotra intsony fa mandeha amin’ny andro atoandro. Toy ilay teny Behoririka izay nahafatesana olona iray ka nahazoan’ireto jiolahy ny vola tany aminy. Ireny fotoana ireny no ilaina ny mpitandro filaminana ka tratra teo noho eo ireo jiolahy. Nisehoana fanafihana mitam-piadiana toy izany koa tetsy Tsiadana ka jioalhy iray no maty rehefa nifanenjehan’ny Polisy. Efa tsy milamina ny tany ka tokony ho mailo avokoa rehefa vao hivoaka ny trano.
