ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manome lanja ny fampianarana kabary ny kaominina

Vakoka, harena ary kolontsaina mandrafitra ny mahamalagasy ny kabary. Mila velomina sy tohanana hatrany izy io mba tsy hahalefy laza azy. Amin’izao fotoana izao, manome fampianarana ho an’ireo Malagasy liana te hianatra kabary ny kaominina Ambohimangakely, izay hiarahana miasa amin’ireo fikambanan’ny mpikabary malagasy isan-karazany, izay mandala ny kabary malagasy.

« Haharitra 8 volana ny faharetan’ny fampianarana izay atao eto amin’ny kaominina Ambohimangakely, izay misy ny sokajy Mpiofana sy sokajy Takalo. Isaky ny alahady tolakandro no fotoana fianarana ary ireo izay liana dia mbola afaka manoratra anarana ao amin’ny kaominina » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Ilaina ny fahaizana mandaha-teny ary natao ho an’ny olon-drehetra ny kabary, tsy mifidy saranga. Anisan’ny manampy ny mpianatra, na ray aman-dreny na tomponandraikitra isan-karazany hahay handray fitenenana, hiteny imason’olona izany » hoy i Hery, mpampianatra kabary.

Tsy mifidy sokajy, tsy mifidy saranga ary tsy mifidy taona ny fianarana ny kabary. Anisan’ny kanto Malagasy tokony hindraindrain’ny malagasy izy io, mba hanomezana lanja ny teny malagasy, indrindra mba tsy hahalefy laza ireo karazana lalaon-teny voizina ao anatiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire